|
|
|
|

Entry1  Ny herin' ny Fahatsiarovana
Elementary words  2 hery, 3 fahatsiarovana
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Rajemisa-Raolison Régis
Full text  7 
8  Indrisy! nahoana, hono, lahy!
9  Matetika raha eto an-tany,
10  Tsy mety ny fo sy fanahy
11  Fa miherika ny andro efa lany,
12  Ka zavatra sendra voatsiahy,
13  Miserana fotsiny ihany,
14  Miteraka sento tsy nahy,
15  Indraika aza mampitomany?

16  Indrisy! nahoana, hono, mantsy
17  Ny andro mihelina itony,
18  Mitondra ny soa sy ny ratsy,
19  Tsy lasa dia tsy hita intsony
20  Fa mbola mazàna mihantsy
21  Ny olona hitondra lonjony,
22  Mametaka tombokavatsy
23  Tsy maty ao anatin' ny fony?

24  Indrisy! nahoana, hono, manko
25  Ny omaly tsy lasa dia miery,
26  Fa mbola mimpody malako
27  Toa maso mangala-pijery,
28  Toa feo averin' ny ako,
29  Miverina tsy misy very
30  Ka lasa vao manakotsako
31  Toa embona entina irery?

32  Indrisy! nahoana? - Satria,
33  Satria ny olon-drehetra
34  Natao ho faly doria,
35  Kanefa natao misy fetra:
36  Ny fony natao te-ho tia
37  Kanefa arahin' ny tsetra;
38  Ny Omaly sy Anio miara-dia,
39  Ny Omaly no mahery setra!

Updated on 2025/11/17